Mark 11

1Ary raha nandeha tany Jerosalema izy ireo, dia nanakaiky an’i Betifaga sy Betania, any an-tendrombohitry Oliva, ary Jesosy naniraka roa tamin’ireo mpianany 2ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mandehana amin’iry vohitra kely manoloana antsika iry. Raha vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zana-boriky iray mbola tsy notaingenan’olona. Vahao izy dia ento aty amiko. 3Raha misy olona miteny aminareo hoe: ‘Nahoana ianareo no manao izao?’ Dia ataovy hoe: ‘Misy ilain’ny Tompo azy dia haverina haingana aty izy.”’

4Nandeha nivoaka izy ireo dia nahita zana-boriky iray nifatotra teo ivelan’ny trano anilan’ny varavarana iray eo amoron-dalana, ary novahan’izy ireo ny fatorany. 5Nisy olona sasany nijoro teo ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Inona ity ataonareo, mamaha io zana-boriky io?” 6Dia nolazainy azy ireo ny tenin’i Jesosy tamin’izy ireo, ary navelan’ny olona handeha amin’ny lalany izy ireo.

7Ary nentin’ireo mpianatra roa lahy teo amin’i Jesosy ny zana-boriky dia nataony teo ambonin’izany ny lamban’izy ireo ka afaka nitaingina azy Jesosy. 8Maro ny olona namelatra ny lambany teny an-dalana, ary ny sasany kosa namelatra rantsan-kazo izay notapatapahany avy tany an-tsaha. 9Ireo izay nandeha teo alohany sy ireo nanaraka Azy niantsoantso hoe: “Hosana! Deraina ilay iray avy amin’ny anaran’ny Tompo. 10Deraina ny fanjakana ho avin’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra!”

11Avy eo Jesosy niditra tao Jerosalema ka nankao an-kianjan’ny tempoly ary nijerijery ny zavatra rehetra. Ary, efa niha-hariva ny andro, dia nizotra nankany Betania Izy sy ireo roambinifolo lahy. 12Ny andro manaraka, raha niverina avy any Betania izy ireo, dia noana Izy.

13Ary nahita hazon’aviavy iray nandravina avy tery lavidavitra, dia nanatona Izy hijery raha misy voa teo aminy, ary rehefa nankeo amin’izany Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa tsy ravina fotsiny, fa tsy mbola taom-pamoazan’ny aviavy tamin’io. 14Ary Izy niteny tamin’izany hoe: “Tsy hisy hihinana ny voa avy aminao intsony mandrakizay.” Ary ny mpianany nandre izany.

15Nankany Jerosalema izy ireo, ary niditra tao an-kianjan’ny tempoly Izy ary nanomboka nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy rehetra tao. Nazerany ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivarotra voromailala. 16Tsy namela an’iza na iza hitondra zavatra izay azo amidy hiditra ny kianjan’ny tempoly Izy.

17Dia nampianatra azy ireo Izy ka nilaza hoe: “Tsy efa voasoratra va hoe: ‘Ny tranoko dia ho antsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenen-drehetra’? Nefa nataonareo ho zohy fieren’ny mpangalatra.” 18Ren’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanoradalana izay nolazainy, dia nitady fomba hamonoana Azy izy ireo. Fa natahotra Azy izy ireo satria ny vahoaka rehetra dia talanjona tamin’ny fampianarany. 19Rehefa tonga ny hariva, dia niala ny tanàna izy ireo.

20Ary raha nandeha izy ireo ny maraina, dia nahita ilay hazon’aviavy nalazo hatramin’ny fakany. 21Ary Petera nahatsiaro ka niteny hoe: “Raby o, jereo! Nalazo ilay aviavy nozoninao.”

22Jesosy namaly azy ireo hoe: “Manàna finoana an’Andriamanitra. 23Lazaiko aminareo marina tokoa fa na iza na iza miteny amin’ity tendrombohitra ity hoe: ‘Mitsangàna ka mianjerà any an-dranomasina,’ ka raha tsy misy fisalasalana ao am-pony fa mino fa hitranga aminy izay nolazainy, dia toy izany no hataon’Andriamanitra.

24Noho izany Izaho milaza aminareo hoe: Izay rehetra hivavahanareo sy angatahinareo, minoa fa efa nandray izany ianareo, dia ho azonareo izany. 25Rehefa mijoro sy mivavaka ianareo, dia tsy maintsy mamela izay alahelo rehetra anananareo amin’iza na iza ianareo, mba ho avelan’ny Rainareo Izay any an-danitra ihany koa ny fahotanareo. 26[Fanamarihana: Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny hoe (Jereo ao amin’ny Mat. 16: 15) Mk. 11: 26 “Fa raha tsy mamela heloka kosa ianareo, dia tsy hamela ny fahotanareo mihintsy koa ny Rainareo Izay any an-danitra.”]

27Dia niakatra ho any Jerosalema indray izy ireo. Ary raha nandehandeha tao an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia tonga nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona, ny mpanoradalana, ary ireo loholona. 28Hoy izy ireo taminy hoe: “Fahefana avy aiza no hanaovanao ireny zavatra ireny, ary iza no nanome Anao fahefana hanao ireny?”

29Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Hametraka fanontaniana iray aminareo Aho. Lazao Amiko dia ho lazaiko ianareo hoe fahefana avy aiza no anaovako ireny zavatra ireny. 30Ny batisan’i Jaona, avy any an-danitra va izany sa avy amin’ny olona? Valio Aho.”

31Nifampidinika miaraka izy ireo sady nifamaly sy niteny hoe: “Raha mamaly isika hoe: ‘Avy any an-danitra,’ dia hiteny Izy hoe: ‘Fa nahoana ary no tsy nino azy ianareo?’ 32Fa raha mamaly kosa isika hoe: ‘Avy amin’ny olona,’....” Natahotra ny olona izy ireo, satria resy lahatra ny olon-drehetra fa Jaona dia mpaminany tokoa. Avy eo namaly an’i Jesosy izy ireo ka nanao hoe: “Tsy hainay.” Dia hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Izaho ihany koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no hanaovako ireny zavatra ireny.”

33

Copyright information for PltULB